1 Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra,

2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.

3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa izy.

4 Koa raha ety ambonin'ny tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalna,

5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25. 40).

6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra.

7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa.

8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda,

9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.

10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;

11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, na hanao hoe: Mahalal an'I Jehovah; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra;

12 Amin'ny anaovany hoe 'vaovao' dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihahantitra dia efa madiva ho levona.
